<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Aza manadino ahy FFPM617</title>
<lyrics>[V1]
 Aza manadino ahy,
 Ry mpihaino vavaka !
 Aza mba manary ahy
 Hanalavitra Anao ;
 Mitodiha, ry Mpanjaka !
 Ka jereo ny olonao ;
 Aza manadino ahy,
 Ry mpihaino vavaka !

[V2]
 Hianao no fiereko,
 Vatolampy, heriko ;
 Na kamboty aza aho,
 Faly manana Anao ;
 Afa-tahotra ny foko
 Raha miandrandra Anao ;
 Aza manadino ahy,
 Ry mpihaino vavaka !

[V3]
 Eny, Hianao no Raiko,
 Ka hatoniko izao ;
 Nefa ny fahadalako
 Aza mba heverinao ;
 O ! ampifalio aho,
 Ka ombay ny elatrao
 Aza manadino ahy,
 Ry mpihaino vavaka !

[V4]
 Tabataba lalandava
 No mba hotako izao,
 Ka izaho te-ho tonga
 Ao am-pitsaharanao ;
 Mitenena, ry Jehovah !
 Mamalia ahy izao ;
 Aza manadino ahy,
 Ry mpihaino vavaka !</lyrics>
<hymn_number>617</hymn_number>
<author>C.C. Converse</author>
</song>